<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Mpamonjy olom-bery FF51</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Mpamonjy olom-bery
 Sarobidy sy mahery
 Ny fitiavanao ahy
 'Zay mambabo ny fanahy
 Noho ilay fitiavanao
 Babonao ny foko izao
 Ka izao rehetra izao
 Tsy hamoizako Anao

[V2]
 Ny fitiavanao, ry Tompo,
 No mambabo ahy hanompo
 Tia ahy hianao
 Ka mba tiako tsotra izao
 Eny, fantatrao fa tiako
 Izao fiainana eto izao
 Tiako izao rehetra izao
 Nefa mbola tiako Hianao

[V3]
 Na dia sarotra sy mafy
 Ny hanaraka Anao
 Izaho vonona hihafy
 F'efa tiako Hianao
 'Zao fiainana izao
 Tsy atakaloko Anao
 Na dia mamiko aza eto
 Mbola tiako Hianao</lyrics>
<hymn_number>51</hymn_number>
</song>